TSENAN’NY KRISIMASY SY FARAN’NY TAONA : Andro farany ho an’ny « la Grande Braderie de Madagascar »anio Alahady.

Mandalo fotoan-tsarotra ny fianakaviana malagasy. Tsapan’ny mpikarakara ny hetsika « la Grande Braderie de Madagascar »(GBM) fa manify dia manify ny kitapom-bolan’ny ankabeazan’ny fianakaviana malagasy na dia maro dia maro sy misy karazany sy isan-karazany aza ny entana eny amin’ny GBM izay iharan’ny fihenam-bidy 15 % .  Tratra ihany anefa ny tanjon’ny Madavision nandritra ny efatra andro nisian’ny hetsika teny amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina izay. Araka ny hahafantaran’ny mpitsidika ny « GBM » kosa anefa amin’ity Alahady 22 desambra izay andro farany amin’ny hetsika dia mihoatra ny 50% ny fihenam-bidy atolotr’ireo mpandray anjara amin’ireo trano heva 250. Noho izany mamporisika ireo fianakaviana malagasy izay mbola tsy nandalo ho tonga eny amin’ny GBM  ny mpikarakara satria hita eny daholo ny entana rehetra amin’ny fanomanana ny Krisimasy sy ny faran’ny taona.

Lynda A.