TSENA AN’ANOSIBE: Nitarina ny tsena.

Nanatanteraka ny fampanantenan’ny Ben’ny Tanana an’Antananarivo Renivohitra, Lalao RAVALOMANANA. Nitarina indray ny foto-drafitra asa ao amin’ny tsenan’Anosibe. Efitrano miisa 26 no andalam-panamboarana ary ireo tena mpivarotra no hisitraka izany.

Efa 3300 izao ny mpivarotra  mandrafitra ny tsenan’Anosibe.

Nohatsaraina ihany koa ny toerana iantsonan’ny fitaovam-pitanterana. “Natokana ho an’ireo mpivarotra, mpividy ary mpitatitra entana izany”, hoy ny Lehiben’ny tsena,  Landry RAMAROSANDY.