TRANOBEN’NY TANTSAHA: Ampitomboy ny teknisiana.

“Anisan’ny kitro ifaharan’ny fampandrosoana eto amintsika ireo  tantsaha mpamboly  sy mpiompy ka tokony hohatsaraina ny fari-piainan’izy ireo. Ny fanampiana azy ireo amin’ny alalan’ny teknisiana no fomba voalohany ahatanteraka izany”. Hatramin’izay, niady ho an’ny tombontsoan’ireo tantsaha mpamokatra ireo ny teo anivon’ny Tranoben’ny Tantsaha. Velom-panantenana tokoa ity sampan-draharaha ity amin’izao fotoana izao satria  noraisin’ny  fiadidian’ny filohan’ny Repoblika   eo ambany fiahiany mihitsy ny Ministeran’ny fambolena .

“Raha te hampiakatra ny fari-piainan’ireo tantsaha sy hampitombo ny traikefan’izy ireo eo amin’ny sehatry ny fambolena  sy ny fiompiana dia tokony hampitomboina ireo teknisiana  isaky ny kaominina”, hoy Mahatratra Solofo ANDRIANJAFY, Filohan’ny Tranoben’ny Tantsaha.

Nanamafy izany ihany koa ny Loholona no sady Filoha Lefitry ny Tranoben’ny Tantsaha , Georges  RATALATA fa tokony atao eo ambany maso amin’izay ny momban’ireo tantsaha ireo izay mandrafitra ny 80% ny mponina eto Madagasikara.

 Voalaza fa atsy ho atsy fia ho sompitry ny sakafo i Madagasikara. “Tsy ho tontosa anefa izany raha mbola atao anjorom-bala  ireo mpamokatra ireo”. Ny fampitomboana ireo teknisiana   isaky ny kaominina fa tsy ny distrika ihany no fepetra iray  ahatongavana amin’izany tanjona izany.   “Izy ireo no afaka  hanoro ireo mpamokatra sakafo  mba hanatsaran’izy ireo ny vokatra”, hoy Richard RAZAFINDRABARY.