TRANO PRINTIM-PIRENENA: Tsy miankina amin’ny orinasa ny fisian’ny bokin’omby hosoka.

Ny fanaovana fitombon-kase eny rehetra eny no tena mampirongatra ny hosoka. Nambaran’i Jean Angelson RANDRIAMBOAVONJY fa tokony ao amin’ny  trano printim-pirenena no hanaovana izany rehefa raharaham-panjakana. Betsaka amin’ireo tomponandraikim-panjakana anefa no mandika izany. Hany ka manome vahana  ireo mpanao  hosoka raha amin’ity resaka ity. Porofon’izany ny bokin’omby  izay misy  fitombon-kasem-panjakana  hosoka. 

Noho izany, tokony hametraka politika ahafahana miaro ny asam-panjakana ny anivon’ny ministera misahana ny fitombon-kasem-panjakana. Nohamafisin’ny Tale Jeneraly ihany koa fa vonona hiara-hiasa amin’ny mpitandro filaminana ny orinasa amin’ny  famongorana ny taratasim-panjakana hosoka.

Marihina fa vidiana ao amin’ny  trano printim-pirenena avokoa rehefa taratasy ilaina amin’ny raharaham-panjakana. Ho an’ny  bokin’omby  izao, 65.000 Ariary ny vidiny ary azo hamarinina ao amin’ny tranokalan’ity orinasam-panjakana ity izany sy ireo vidin’entana hafa.