TOLONA HO FANORENANA IFOTONY: Ho fandaniam-potoana indray ny atrikasa amin’ny zoma?

Efa tsy tambo isaina ihany izay fivoriana nokasain’ny ny mpanao politika na fikambanana milaza fa “mila ovaina ny rafitra eto Madagasikara fa mampahantra”. Nisy fehin-kevitra nivoaka tamin’izy  ireny fa mba nohenoin’ny fitondram-panjakana? Ny bainga mivadika no hitsara ny tantara. Tsy nampihemotra ny TFI na Tolona ho Fanorenana Ifotony hanatanteraka atrika asa amin’ny zoma faha-07 ny volana oktobra 2016 izany.

“Tsy mahafehy ny harem-pirenena ho lasa fampandrosoana ny firenena Malagasy ny lalana misy eto. Ny vahiny no mahazo tombony”, hoy i Joseph Yoland. Noho izany, mila ovaina tanteraka ny rafitra sy ny lalana eto Madagasikara mba hitantanana ny toe-karena amin’ny alalan’ireo harena voajanahary.

Ho dinihina mandritra ny fivoriana avokoa izany rehetra izany.