TOAMASINA: Basy kilalao no nentin’ireo jiolahy tratra nangalatra lavanila 262,2 kilao.

Jiolahy folo no tratran’ny polisim-pirenena nandroba tranombarotra iray teto Toamasina. Lavanila 262,2 kilao niampy entana tao an-trano  no nangalaran’izy ireo.  Nogiazan’ny mpitandro filaminana ihany koa ireo fitaovana nentin’izy ireo nandrobana toy ny basy kilalao, ny fiara …Te hanan-karena tampoka amin’ny fiharian’ny sasany  ireto jiolahy ireto satria saika hamidy amin’ny vidiny 1.400.000 Ariary ny iray kilaon’ny lavanila nangalarina.

Loharanom-baovao avy amin’ny tsara sitrapo no nahafantaran’ny polisim-pirenena fa hisy andian’olona hamaky magazay “Authentic Product Industry” Tanandava ka dia noraisim-potsiny ireto jiolahy ireto. Saron’ny polisim-pirenena ao amin’ny « commmissariat de police du 1er arrondissement » ny sivy  lahy ny aliny asabotsy hifoha ny alahady tokony ho tamin’ny iray ora maraina. Roa ambin’ny folo ny isan’ireo jiolahy ka ny telo tamin’ireo tafaporitsaka.Tratra ny alahady ny iray tamin’izy ary efa natolotra ny fampanoavana ihany koa.

Nisaotra an’ireo olona tsara sitrapo nanome loharanom-baovao ny polisim-pirenena. Mangataka hatrany fiarahamiasa amin’ny mponina ihany koa ny mpitandro filaminana mba tsy hisalasala ka hiantso azy ireo  raha misy tranga mampikorontana ny fiarahamonina.

Ho famerenana ny fandriam-pahalemana eto Toamasina, nosokafana ny “vigie” anankiroa.

Prud’Homme