TETIKASA « TSARAHONENANA »: Tsy andeha irery ny Croix Rouge Malagasy

Namolavola tetikasa iray ny « Croix Rouge Malagasy » ho an’ireo mpiray tanindrazana any amin’ny faritra Sava izay toerana fidiran’ny rivo-doza matetika. Hanampy azy ireo amin’ny fiomanana sy fiatrehana amin’ny loza voajanahary ny tetikasa « Tsarahonenana » izay iarahan’ny « Croix Rouge Malagasy » manatanteraka amin’ny « Croix Rouge Luxembourgeois » sy « Croix Shelter Afrique ». Eo amin’ny lafiny fanarenana ny trano sy ny toeram-ponenana ity tetikasa ity. Natomboka amin’ny atrikasa ny fanatanterahana ny tetikasa izay mikendry ny hanampiana ny sampan’ny « Croix Rouge Malagasy » any amin’iny faritra iny. Eo ihany koa ny hanampiana ny mponina any an-toerana amin’ny fanamafisana ny fahafahany miatrika ny loza. Atevenina ny traikefan’ireo mpilatsaka an-tsitrapo ao amin’izy ireo, ny rafitra ara-panjakana isan-karazany any an-toerana ary ny an’ireo olona eo anivon’ny fokontany izay manana adidy hiatrika ny loza. Omena fiofanana sy ho vatsiana fitaovana izy ireo. Ankoatra izay ny asa atao ho fametrahana mialoha any an-toerana ireo fitaovana mety ilaina maika amin’ny fiatrehana ny loza.

Marihana fa haharitra sivy volana ny tapany voalohany amin’ity tetikasa « Tsarahonenana » ity izay tsy hifarana raha tsy any amin’ny volana septambra 2019. Na izany aza anefa dia tetikasa andrana ihany ity tetikasa ity. Heritreretin’ny tomponandraikitra ao amin’ny « Croix Rouge Malagasy » anefa ny mba hanitarana azy any amin’ny roa taona any ho any.

Nirina R.