Tetikasa lalan-kely I: Manatsara fiainan’ny vahoaka andavanandro

Notokanana tamin’ny fomba manetriketrika ny tetikasa lalan-kely I. Notarihin’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina niaraka tamin’ny minisim-panjakana misahana ny tetikasan’ny filohan’ny Repoblika, fananan-tany ary ny fanajariana ny tany, minisitrin’ny asa vaventy ary ny PDS Kaominina Antananarivo renivohitra ny lalana eny Ankadimbahoaka no nanombohana izany ny zoma lasa teo. « Efa ho 40 taona izao no tsy nisiam-panamboarana iny lalana izay fandalovan’ny filoham-pirenena.Miteraka fitohanana mihitsy iny lalana iny », hoy Hery Rajaonarimampianina nandritra ny kabariny. Izany indrindra no nanavaozana iny lalana iny. Volam-panjakana ny 85% nanamboarana azy araka ny nambaran’ny filohan’ny Repoblika hatrany. Efa nanomboka ny taona 2011 ny tetikasa lalan-kely I izat novatsian’ny AFD vola mitentina 9 millions d’euro. Marihina fa fokontany 78 no nahazo tombontsoa tamin’ity tetikasa ity. Ny zoma lasa teo no notokanana ireo asa vita toy ny teny Ankadimbahoaka ary Tsaramasay Ankorondrano . Maro ihany koa ireo fotodrafitrasa tao anatin’ny tetikasa tahaka ny paopim-drano, toeram-panasan-damba,… Nambarany Filoham-pirenena hatrany fa mponina miisa 1 tapitrisa no mianoka amin’ny vokatsoa tamin’ny tetikasa. « Entina hanatsarana ny fiainan’ny mponina andavanandro ity tetikasa ity », hoy ny minisim-panjakana Rivo Rakotovao. Nofaranana tamin’ny fanokanana ny tsangam-bato ny tetikasa lalan-kely I sy fanokafana ny tetikasa lalan-kely II teny amin’ny kaominina Bemasoandro Itaosy ny lanonana. Nanome toky ny filoha Hery Rajaonarimampianina fa ho amboarina ny lalana mampitaraina ny vahoakan’Itaosy afaka iray volana ary ny aro fanina eo amin’ny tetezan’Ampasika afaka herinandro.

Lynda A.