TEKNOLOJIA: Mitana anjaran-toerana lehibe eo amin’ny serasera saingy…

Ilaina fitandremana. Nasehon’ireo mpianatra ao amin’ny zana-tsehatra serasera (COMMO), FLSH (Faculté des Lettres et Sciences Humaines), oniversiten’Antananarivo tamin’ny alalan’ny lalao ny zava-misy amin’ny fampiasana ny tambazotran-tserasera (Facebook). Hita tamin’izany fa maro ireo mampiasa io fitaovan-tserasera io hanarahana maso ny fiainan’olona, ary vitan’izy ireny ny mi-« pirate » ny kaonty mba hanalam-baraka na hanaovana « filan-dratsy ». Noho izany, « ilaina fitandremana ny fampiasana ny tambazotran-tserasera ary tsy tokony alefa amin’izy ireny ny fiainana iray manontolo indrindra ny fiainana manokana », io no hafatra nampitain’ireto mpianatry serasera ireto nandritra ny « Soamiditra » andiany faha-13, ny 06 martsa 2020 teny Tsiadana. Hetsika fanao isan-taona izy ity ho fandraisana ireo mpianatra vaovao, taona voalohany (L1) sy M1, araka ny fanazavan’i Andriharisonlimberaza Hitler, mpianatra L1. Nambarany fa ho fifankahafantaran’ireo mpianatra vaovao sy ireo zoky ary fampahafantarana ny lalam-piofanana serasera ihany koa ny Soamiditra.

« Ny haitaon’ny ita sy ny teknoljia amin’ny fiofanana zana-tsehatra serasera » no lohahevitra tamin’ity andiany ity. Araka ny fanazavan’i Andrianierenana Luc, mpampianatra ao amin’ny COMMO fa manana anjaran-toerana lehibe eo amin’ny serasera ny teknolojia. Rehefa tsy ampy ny fitandremana dia miteraka voka-dratsy izany. « Firifiry ny vehivavy mamono tena vokatry Facebook ? Mbola tsy misy fanadihadiana amin’izany moa eto amintsika. Manao selfie dia alefa any amin’ny réseaux sociaux. Azon’ny rehetra ampiasana  anie ny sary rehefa lasa any e! », hoy izy. Ankoatra izany, « mbola misy fiangarana, manavakavaka ny fampiasana internet eto amintsika »,hoy izy. Ny manana fahefaha-mividy ihany no afaka mampiasa azy. « Any Canada izao efa maimaim-poana ». Nambarany fa rehefa mandroso ny firenentsika dia tsy andoavam-bola ny internet. Amin’izay fotoana izay dia afaka mampiasa izany ny mpianatra any Beraketa. Nomarihiny fa anisany lafo indrindra ny internet eto Madagasikara raha oharina amin’ireo Nosy rahavavy.

Lynda A.