Tavoahangy plastika: Mahavita foto-drafitr’asa natao hialàna voly

Ireo mpianatra sy mpampianatra ihany no nanamboatra azy. Nanamboarana foto-drafitr’asa natao hialàna voly ny tavoahangy plastika ny ao amin’ny lisea Andrianampoinimerina Sabotsy Namehana (LASN). Ao anatin’ny fandaharan’asa iraisam-pirenena“éco-école” no nahafahana nanao izany. Madagascar National Parks no mandrindra ny fandaharan’asa raha ny eto Madagasikara no resahana. Tanjona amin’ny “éco-école” ny fampahafantarana amin’ny mpianatra ny zava-mitranga ara-tontolo iainana mba ahafahana mitondra vahaolana ho any amin’ny fampandrosoana maharitra.

Natao hilalaovan’ny mpianatra katro, fanorona io foto-drafitr’asa vita amin’ny tavoahangy plastika io. Ao anatin’ireo 37 “éco-écoles” an-dalam-pahazoana ny mari-pankasitrahana iraisam-pirenena “green flag” ny LASN. Ny “fondation pour l’éducation environnementale” no namorona io mari-pankasitrahana io ary ankatoavin’ny UNESCO ho fitaovana mahomby eo amin’ny sehatry ny fanabeazana ho fampandrosoana maharitra ny Nosy Malagasy.

Lynda A.