TARIKA ‘ZAY: Mitohy eto Antsirabe ny 2 septambra 2022 ny fampisehoana « misaotra Nary »

Ho fiarahana feno fihetseham-po ny fampisehoana ataon’ny Tarika ‘Zay eto Antsirabe.  Ny zoma 02 septambra 2022 amin’ny 7 Ora sasany alina ao amin’ny tokontany malalakin’ny « Le Rêve » no hanatanterahana izany. Tohin’ny hetsika taorian’ny fahalasan’i Nary ity fampisehoana ity. Tao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy kolontsaina Mahamasina no natomboka ny fampisehoana mitondra ny lohateny hoe: « Misaotra Nary ». Nambaran’i Malala fa hotohizana eto Antsirabe izany ho fisaorana an’i Nary. « Ho bataina eto Antsirabe ny fampisehoana tao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina », hoy izy. Noho izany, hiaraka hampihanoka ny mpankafy amin’ny hira  nahafantarana ny Tarika ‘Zay hatramin’izay ireo vahiny nasaina tao Mahamasina toa an’i Ken Mirado Ary Nate Tex. Araka ny fanazavan’i Malala fa efa tao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny tarika mandritra fankalazana faha-25 taona ny fandalovana eto Antsirabe. « 2016 no nihaona farany tamin’ny mpankafy teto izahay. Ho feno fihetseham-po kokoa ity fampisehoana ity », hoy izy. Efa vonona tanteraka ny tarika hiaraka amin’ny mpankafy eto Antsirabe.

Lynda A.

Horonan-tsary