Taratasin’ny Eveka katolika ho an’ny filoham-piangonana 4 ao amin’ny FFKM

Nandefa taratasy ho an’ny Filoham-piangonana efatra ao amin’ny FFKM ny Fivondranamben’ny Eveka katolika eto Madagasikara na CEM (Conférence Episcopale de Madagasikara). Indro avoaka manontolo etoana izany…

Aminareo Efatra mirahalahy Filoha  FFKM,

Antony : Taratasy Fangataham-panazavana

 

Tompoko,

Homba anareo lalandava anie ny Fahasoavana sy ny Fiadanan’ny Tompo !

Mamerina manoratra aminareo indray izahay, amin’ny anaran’ny CEM ary ny ECAR, satria misy zavatra sasany miteraka ahiahy ka ilàna fanazavana.

Araka ny Fitsipika anatin’ny Fivondronam-ben’ny Evekan’i Madagasikara (CEM)  dia hanao ny Fihaonambeny ny 5 hatramin’ny 14 mey 2015 ny CEM, ka anisan’ny tafiditra amin’ny fandaharam-potoana ny dinika  momba ny Raharaham-pirenena, indrindra ny resaka Fampihavanam-pirenena.

Eo anatrehan’izany indrindra dia maro ny zavatra mahalasa eritreritra satria toa mifangaro be loatra:

  1. Eo amin’ny fampihavanana atao dia toa resaka politika no misongadina matetika. Izao tokoa ve ny fotoana ampidirana  ny raharaha politika ary anjaran’ny FFKM ve ny mandinika izany ? Nahoana moa raha atao fanta-bahoaka tsara ireo Tanjona  Fampihavanana imasoan’ny FFKM ? Marina efa mazava ny 4 F nefa iza marina no ampihavanina ?
  2. Mitovy ve ny isan’ireo solontenan’ny Fiangonana tsirairay manatrika izao fihaonambe izao ? Misy fepetra ve mikasika azy io ? Raha misy tsara lazaina mazava ho fantatry ny rehetra ?
  3. Tsara ny fandraisana antanana nefa tampoka loatra ny resaka 200 000 Ar ka sarotra ny ahitana azy eo no eo amin’izao maitso ahitra izao fa indrindra ho an’ny tantsaha. Izy ireo anefa ny vahoaka maro an’isa ary tena tompon’ny fampihavanana.

 

Dia misaotra sy mankasitraka anareo izahay ary mampanantena vavaka lalandava. Trotrointsika ambavaka lalandava ity firenena malalantsika ity.

 

Amin’ny anaran’ny CEM /ECAR Madagasikara,

Natao androany 21 Avril 2015.

 

Mgr TSARAHAZANA Désiré, Filohan’ny CEM

Mgr RAMAROSON Benjamin, Filohalefitrin’ny CEM

Mgr RANAIVOMANANA Philippe, Sekretera Jeneralin’ny CEM

 

 

(Marihina fa taratasy faharoa izao nalefan’ny Eveka katolika izao ho an’ny filoha efatra ao amin’ny FFKM)

Nanangona Ravaoarisoa Ginette