TAONA 2017: Mbola ho taonan’ny asa hatrany.

Ny fandraisana ny fihaonana an-tampony  ny Frankofonia sy ny  COMESA, ny fahazoan’i Madagasikara  ny mari-bola 10 miliara dolara taorian’ny fivoriamben’ny mpamatsy vola sy ny mpampiasa vola, ny fibatan’ny ekipam-pirenena Malagasy  ny tompondaka manerantany ho an’ny lalao tsipy kanetibe…no tena hevi-dehibe nahindrahindran’ireo nifandimby nandray fitenenana teny Iavoloha omaly. Niarahaba ny Filoham-pirenena Malagasy ny Ambasadaoron’ny Comore noho ny fandresen’i Madagasikara tamin’ny fandraisana ny fihaonana an-tampony sy ny nahazoana ilay famatsiam-bola.

 Nanamafy kosa anefa  ny Filohan’ny Antenimierandoholona, Honoré RAKOTOMANANA fa mitaky fanajana ny zon’olombelona, ny demokrasia, ny fiadiana amin’ny kolikoly ary ny fampiharana ny fanjakana tan-dalana  ny fahazoana io  mari-bola io. Namaly izany avy hatrany ny Filoham-pirenena, Hery RAJAONARIMAMPIANINA fa  tsy tokony hanana fanahiana amin’izany ny Malagasy. “Matoa nanonona mari-bola avy roa heny mihoatra ny eritreretina, ho entina hampandrosoana ny Firenena Malagasy ny mpamatsy vola sy mpampiasa  vola dia midika fa miverina ny fahatokisan’izy  ireo antsika”. Nanome toky noho izany ny Filohan’ny Repoblika fa tsy maintsy azo io mari-bola io.

Ankoatra izany, nitanisa ny asa vita  tamin’ny taona 2016 ny lehiben’ny Governemanta nandritra ny fifampiarahabana nahatratry ny taonan’ny fitondram-panjakana. Nilaza ny tenany fa foto-drafitra asa maro no nitsangana raha ho an’ny sehatry ny fahasalamana sy ny fanabeazana. Mpampianatra FRAM 9640 no voaray ho  mpiasam-panjakana. Fianakaviana sahirana  miisa 55.831 kosa nisitraka ny tetikasa vatsin’ankohonana. Nahazo anjara tamin’ny famatsiana ara-tsakafo ihany koa ny mponina tany Atsimo. Raha ny fandriam-pahalemana no resahana dia jiolahy 425 no voasambotra. Omby 3005 no very ka ny 1425 tamin’ireo no tafaverina any amin’ny tompony.

Amin’ity taona 2017, mbola betsaka ny ezaka tsy maintsy  tratrarina hoy ny Praiministra Solonandrasana Olivier MAHAFALY.  Nanamafy ihany koa ny Filoham-pirenena Malagasy fa mbola ho taonan’ny asa ity taona vaovao ity.