TAOM-PANDROTSAHANA ZANA-TRONDRO: Zava-dehibe ny fanajana ny tetiandro

Niaraka nandrotsaka ireo zana-trondro tao amin’ny farihy an’i Mamamba tamin’ny fikambanan’ny mpanarato Ezaka Firaisankina Mijoro ao Marovatana sy Loharanontsoa ao Ambohibao Antehiroka ny ministeran’ny harena anaty rano. Ny 5 desambra 2018 teo izy ireo no nanatanteraka izany. Aorian’ny farihy Tsiazompaniry sy Mantasoa, mitana ny laharana fahatelo ny farihy an’i Mamamba, kaominina Ambohibao Antehiroka, distrika an’Ambohidratrimo noho izy mirefy 70 hektara. Avo roa heny noho ny tamin’ny herintaona ny isan’ny zana-trondro narotsaka tao amin’ity farihy ity. Zanaka tilapia ny karazan-trondro nosafidiana.

Nisolo tena ny ministry ny harena anaty rano sy ny jono tale kabinetran’ny ministera, Hortense Razanaliva. “Zava-dehibe ny fanajana ny tetiandro fandrotsahana zana-trondro mba ahazoana vokatra bebe kokoa mandritra ny taom-pisokafan’ny fanjonoana”, hoy izy nandritra ny fandraisam-pitenany. Nanamafy ihany koa ramatoa Hortense Razanaliva fa vonona hifanakalo hevitra amin’ny mpanjono ny ministera. Tsy niandry ela fa tamin’io fotoana io ihany dia nilaza ny faniriany ireo fikambanana mpanarato. Nangataka tamin’ny ministera ny filohan’ny fikambanana mpanarato Loharanontsoa, Mbatao Rodrigue Rakotondratsimba  mba ho hasiana toeram-pivarotana trondro an-dranomamy eny amin’ny distrikan’Ambohidratrimo.

Lynda A.