TAOM-BAOVAO MALAGASY: “Fomba iray entina anehoana ny fitiavana amin’ny ankohonana”.

Manomboka amin’ny 7 ka hatramin’ny 11 Martsa ho avy izao ny fankalazana ny “Taom-baovao Malagasy” izay iraisan’ny fikambanana Fitohasina. Ao amin’ny Tahala Rarihasina sy any Ikianja Ambohimangakely no anamarihana izany. Ao anatin’izany dia hisy vela-tseho, ampisehoana ireo kolontsainan’ny foko samihafa manerana ny Nosy . Mampiavaka ny “Taom-baovao Malagasy ny fandrehetana ny atao hoe: “afo tsy maty” ka ny alarobia 09 Martsa amin’ny 02 ora sy sasany no izarana izany eny amin’ny Tahala Rarihasina Analakely. “ Entina hanafanana sy hamelomana indray ny tokan-trano, ny fiaraha-monina mba hananana fiainana mamiratra no tena anton’ity afo tsy maty ity”.

“Ny taom-baovao Malagasy dia harena fototra hananan’ny Malagasy tsirairay avy. Ka amin’izay maha harena azy izay, dia afaka mitondra fivoarana goavana eo amin’ny fiainan’ny tsirairay”, hoy ny Filohan’ny Fikambanana Fitohasina, Ramamonjisoa Mbola Tina. Zava-dehibe ho an’ny Malagasy ny tso-drano ka ny alakamisy 10 Martsa amin’ny 05 ora sy sasany maraina no handraisana izany amin’ity hetsika ity. Arahina fihinana vary amin-dronono tondrahan-tantely izany avy eo.

Mampitambatra ireo ray aman-dreny ara-drazana sy ireo mandala ny soatoavina Malagasy ny Fikambanana Fitohasina. Araka ny fanazavana, mbola vitsy ny mpikambana ao aminy. Ny zoma 11 Martsa izao dia hisy ny fanandratana ny mpikambana vaovao faha-39 izay atao eny amin’ny Trano Kolotoraly Malagasy sy Foibe ny Fitohasina Ikianja Ambohimangakely.