TANORA-RUGBY: Hanokatra ivom-pampianarana teny ho an’ny mpilalao.

Hatramin’ny BEPC ihany matetika no farany diplaoma hananan’ireo tanora mpilalao ny taranja baolina lavalava. “Ny tsy fahampian’ny enti-manana no antony lehibe mahatonga izany”, hoy i Jean Heriniaina  RAKOTONDRAFARA, ny Filohan’ny Fikambanan’ny tanora mpanao rugby. Ho fampivoarana ireo  fileovana mpikambana , anisany miara-miasa amin’ny fikambanana ASTAFIM, ny Antenimierandoholona ary ny Tale Jeneralin’ny sampandraharahan’ny  fananantany ny  fikambanana mampivondrona tanora mpanao rugby.

“Misy fiantraikany amin’ny  fampandrosoana ny tanora eny amin’ny faritra iva ny lalao baolina lavalava”, hoy ny Filohan’ny ASTAFIM, Fulgence RAMAMONJISOA. Noho izany, atao izay hanosehana ireo tanora mpilalao ireo. Nanamafy ihany koa ny Talen’ny kabinetran’ny Filohan’ny Antenimierandoholona, Milijaona RADO fa hitondra ny hetahetan’ny fikambanana  eny anivon’ny governemanta amin’ny maha solontenan’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana ny Antenimierandoholona amin’ny lafiny  sosialy sy ekonomika ny  Antenimierandoholona.

Ho fanamafisana ny fiarahamiasa, nanatanteraka fifampiarahabana nahatratry ny taona  izy ireo androany.

Manana tanjona hanangana toeram-piofanana momban’ny teny  sy sekoly  momban’ny baolina lavalava natokana ho an’ny   ankizy ny fikambanana.