TANORA ACTIF AN’I MADAGASIKARA : Làlana mankany amin’ny fampandrosoana ny fifidianana

Andro vitsy sisa no isaina dia higadona ny fifidianana filohampirenena izay hisafidianan’ny vahoaka Malagasy ny Filohan’ny Repoblika hitondra ny firenena mandritra ny 5 taona manaraka indray. Endrika hisehoan’ny demôkrasia  ny fifidianana amin’ny alalan’ny latsa-bato. 58 taona izay no nahazoan’ny Madagasikara ny  fahaleovan-tena ary krizy niverimberina no niainana nandritra izay fotoana izay.  Fotoana fanarenana, fotoana fiasana ary fotoana ho amin’ny  fampandrosoana entina hampisandratra an’i Madagasikara izao.

Mila olona tia tanindrazana, hendry ary manana fijery lavitra ny firenena mba ahafahana mampandroso azy. Mila kandida manana vina matotra mba ahafahana mijery sy mitsinjo ny taranaka ny firenena ary izany indrindra no naharesy lahatra ny TAMa na ny Tanora Actif an’i Madagasikara hanohana sy hifanome tanana amin’ny kandida laharana faha-12 izay hany kandida tokana manana vina azo antoka hampisandratra an’i Madagasikara. Izany antony izany no hiarahan’ny TAMa eran’ny Madagasikara miray saina, miray fo mba hanohana ary hampandany ny kandida laharana faha-12 Hery Rajaonarimampianina. Manao antso avo ho amin’ny vahoaka Malagasy ny TAMa  hanatanteraka ny zo hananany ary haneho ny safidiny amin’ny  7 novambra 2018 ho avy izao mba ho fifidianana eken’ny rehetra, anaty fitoniana tanteraka ary lavitry ny hosoka sy anaty fahadiovana tanteraka. Mila fitoniana ny firenena mba ahafahana mampandroso azy. “Fifidianana ihany, fifidianana hatrany”, hoy ny TAMa.

Lynda A.