SYGMMA: Hitory an’ireo mpanoso-potaka an’i SG ireo mpikambana.

Tsy mety miravina mihitsy ny disadisa ao anatin’ny birao nasionalin’ny SYGMMA. Ny mpanara-dia an’ny Sekretera Jeneraly, Lucien RAZAFINDRAIBE mihizingizana fa ara-dalana ny fampiakarana ny karamany ho 9.000.000 Ariary satria lany tamin’ny fivoriamben’ny sendika. Nisy ihany koa filazan’ny Sekretera Jeneraly lefitra izay mifanandrina amin’izy ireo  fa nanodikodina ny volan’ny SYGMMA  ny SG. Nanamafy ny tenin’ity farany anefa  ireo tatsambo vitsivitsy, mpikambana tsotra ao amin’ny sendika fa tsy nanao izany ny SG. Voamarina tamin’ny fitsirihana nataon’ny  ITF izay fikambanana mpanohana ny sendika izany.

Manoloana izany, handray fepetra hentitra ireo mpikambana ireo ka hitory an’ny mpifanandrina amin’izy ireo satria ny manoso-potaka ny fikambanana ny filazana vaovao tsy marina momba an’i Lucien  RAZAFINDRAIBE.