SOLOMBAVAMBAHOAKA NICOLAS: “Tsy vahaolana akory ny fanoloana ireo ministra”.

Na dia ao anatin’ny antoko HVM aza Solombavambahoaka Jean Nicolas RANDRIANASOLO, voafidy tao Betroka, sahy nilaza ny tenany fa tsy nitondra fahombiazana akory ny fanovana ireo ministra sasantsasany tao anatin’ny governemanta tarihin’ny Praiministra Solonandrasana Mahafaly Olivier.

Nanakiana ny mbola hitantanany ity farany ny Ministeran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana kanefa mitarika ny governemanta ity olom-boafidy ity. Nambarany fa raha nosoloina ihany ireo ministra dia tokony ho olon-kafa fa tsy ny teo ihany no teo. “Raha samy hanolo ihany nahoana  no tsy novaina 100 % ny ministra ao anatin’ny goveranemanta ary ministra HVM avokoa no nanoloana izany?”

Nanamafy ny Solombavambahoaka Jean Nicolas RANDRIANASOLO fa maro ny mpanohana ny fitondrana entin’ny Filoham-pirenena Hery RAJAONARIMAMPIANINA no afaka hanampy azy amin’ny fampandrosoana ny firenena.