SOLOFOMAHATRATRA VICKY VOLOLONIAINA: Mamokatra taozavatra amin’ny alalan’ny fibre avy amin’ny legioma

Miaro ny tontolo iainana. Hevitra nitsiry nandritra fihibohana taona 2020  tao amin’i Solofomahatratra Vicky Vololoniaina ny fanamboarana taozavatra amin’ny alalan’ny “fibre” avy amin’ny legioma. Rehefa nanao fikarohana ny tenany dia afaka atao tsara ny manamboatra taozavatra amin’ny alalan’ny “fibre de courge éponge”, fianakavian’ny “courgette”. Rehefa natao ny fanodinana ity akora ity dia nahafahana nanamboatra haingon-trano, kojakoja ampiasaina amin’ny fikarakarana tarehy, kojakoja fampiasa eny amin’ny trano fandraisam-bahiny, fitoerana zanakazo.  “ Ny vokatra vokarinay dia avy amin’ny legumineuse, famille curcubitacé na courge éponge, hoatran’ny courgette. Azo avadika ho fibre végétale izy ary mamoaka produits  maromaro toy ny kit  de bien-être (disque facial, pantoufle, gant de toilette), art et déco. Azo ampiarahana amin’ny akora hafa ihany koa toy ny raphia na  satrana”, hoy i Solofomahatratra Vicky Vololoniaina. Mandray anjara eny amin’ny « Foire économique et commerciale des 23 régions eny amin’ny Kianja Barea izy hatramin’ny alahady 28 novambra 2021.

Mety tsara amin’ny fambolen-kazo

Mahafa-po ilay vokatra hoy Solofomahatratra Vicky Vololoniaina satria raha ampitahana amin’ny rofia dia eo amin’ny efatra ka hatramin’ny enim-bolana ny faharetany, mahazaka rano tsara ary misy fianatraikany amin’ny fahasalamana. Ankoatra izany, mahasolo ny « gaine en plastique » na  « sachet » fambolena zanakazo ny « sac biodégrable » vokarin’ity mpanao asa tanana ity. Tsy misy intsony ny fandaniam-potoana amin’ny famakiana “sachet” rehefa mamboly hazo ary foana hatreo ny fako-na “sachet” mainty kely miparitaka eny an-tampon-tanety izay tsy ho levona vetivety fa an-taonany maro sady manimba ny tontolo iainana. Efatra ka hatramin’ny enim-bolana dia levona ny « sac biodégradable », mivadika ho zezika ho an’ilay zanakazo iny avy eo. Mitazona hamadoana ihany koa ity kazarana « sac » ity ka  mety tsara amin’ny amin’ny fambolen-kazo. Araka ny fanazavan-dRamatoa Solofomahatratra Vicky Vololoniaina fa tsy mitsaha-miaka-bidy ny rofia, akora fototra ampiasain’ny mpanao asa tanana eto Madagasiakra. « Izay nahatonga ny hevitra nitsiry hoe inona ny fibre végétale azo hanoloana azy, raha tsy ho zakan’ny mpanao asa tanana mampiasa raphia », hoy izy. Eny Andramavola Itaosy ny toeram-piasany na afaka miantso ny laharana 034 52 060 45.

Lynda A.

Horonan-tsary: