SOFIA MIRAY: Distrika fito no mivondrona ao anatin’ny fikambanana.

Distrika fito no mandrafitra ny Faritra Sofia. Ao anatin’izany Mampikony, Mandritsara, Port Berger, Befandriana,  Antsohihy, Maevarano…Mivondrona ao anatin’ny fikambanana iray antsoina hoe: “Sofia Miray” ireo zanaky ny Faritra. Manoloana ny fanendrena ny Praiminisitra vaovao, Solonandrasana Olivier MAHAFALY, izay avy any amin’iny faritra iny dia naneho fankasitrahana ny Filoham-pirenena izy ireo.

Ankoatran’ny maha Lehiben’ny Governemanta azy,  mbola misahana ny ministeran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana ny tenany. Mbola misy Ministra hafa miisa roa, zanaky ny faritra, mitana ny Ministeran’ny Asa Vaventy, Eric RAZAFIMANDIMBY ary Bary Emmannuel RAFATROLAZA kosa Minisitra lefitra misahana ny raharaham-bahiny miandraikitra ny fifandraisana sy ny Fampivoarana.

“Miarahaba sy mitso-drano ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta iray manontolo izahay ary mankasitraka ny Filohan’ny Repoblika, Hery RAJAONARIMAMPIANINA”, hoy Patrice BEATREFINA, Filohan’ny Fikambanana.