SOAMANAKASINA: Tsy ho tafavoaka mihitsy i Madagasikara.

Manoloana ny toe-draharaha eto amin’ny firenena, manana ambara ihany koa ny fikambanana Soamanakasina, Pro Ravalo teo aloha. Ny tsy fiverenana amin’ny fiandohana no mahatonga an’i Madagasikara mikorontana hoatr’ izao foana, hoy ny fikambanana. Tokony ho fantarina aloha ny niandohan’i Madagasikara vao mampandroso azy. Araka ny fanazavana azo, avy amin’ny fitambaran’ny teny hoe « mama », « dada » « gasi ka ra iray » ny teny niavian’ny hoe: Madagasikara. Teto amintsika no niandohan’izao tontolo izao ka tokony hiverina amin’ny soatoavina na soa ho toavina ka ho to ny ho avin’i Madagasikara isika. Raha mama na Ma- amin’ny teny Madagasikara no halalinina dia tokony ho mama na vehivavy no hitondra ny firenena. « Ny vehivavy mantsy no mahavita mandamina sy mampirindra ny ankohonany, ka tokony izy no hitondra ny firenena », hoy ny olon-kendry sady filohan’ny Soamanakasina Allain Rabary. Tsy midika akory izany fa tsy hankato an’i dada i mama. Tsy hilamina mihitsy ny firenena raha tsy tanterahina izany. indrindra fa amin’izao vanim-potoana izao.

Nambaran’ity olon-kendry ity ihany koa fa manana ny sikidy tany i Madagasikara. Araka ny fanazavana azo, fanala hidy tany mba ho fihidiny no atao hoe: « sikidy ». Ny fitambaran’ny aina, hery, hasina ary teny manome « ainerimasiteny » no famahana sy fanidiny tany. Izany hoe aina mira mama, hery midika hoe dada,masy fanafody ary teny mira teny. Ireo rehetra ireo no vahaolana amin’ny firenena na zavatra fihinina ho rehareha mba tsy hanenenana.

Mangataka ny hisian’ny mpanolontsaina mpandinika ny kintana sy ny volana amin’ny fitondrana ihany koa ny Soamanakasina. Izy no afaka amantatra ny niandohana ary manome vahaolana mahomby hampandrosoana ny firenena .

Lynda A.