SG SYGMMA: Mihorohoro tanteraka ny vady aman-janany.

Saika niitatra hatrany amin’ny fakana an-keriny ny zanaky ny SG na ny  Sekretera Jeneralin’ny  sendikan’ny mpiasan’ny seranan-tsambo ny disadisa  eo amin’ity farany sy ny mpikambana ao amin’ny birao nasionalin’ny SYGMMA. Nambaran’ny vadin’ny Lucien RAZAFINDRAIBE fa saika natao “kidnapping” ny zanany Heritiana Kevin RAZAFINDRAIBE ny 06 martsa 2017 lasa teo. Niezaka tsy nampahafantatra izany ity ankohonana ity satria nametraka ny fitokisana tamin’ny fitsarana ny fandinihana ny raharaha nahazo ny zanany. Indrisy anefa fa mbola tsy nahitam-bokatra izany hatramin’izao na dia efa in-telo niverina teny amin’ny Lapan’ny fitsarana aza.

Noho izany, manao antso avo amin’ny tomponandraikim-panjakana mahefa ny vady aman-janakin’ny SG mba hijery akaiky ny raharaha fa miaina anaty horohoro tanteraka izy ireo. Araka ny fanazavan’i Lovasoa RANDRIANARIBAKO, vadin’i SG fa io manana  raorao aminy vadiny io no torian’izy ireo.