SEKOLY AMBONY FANOFANANA MPAMPIANATRA (ENS): Ny tsara ho fantatra

 Natao hanabe ny zaza Malagasy ny mpiofana mivoaka ao amin’ny sekoly ambony fanofanana mpampianatra (ENS). Betsaka anefa no tsy mahalala fa ao anatin’ny oniversite an’Antananarivo ny ENS. Izany indrindra no anton’ny nikarakaran’ny  mpandraharaha,  ny mpampianatra-mpikaroka ary ny  mpianatra ny herinandron’ny ENS. Hanomboka rahampitso 28 novambra  ka hatramin’ny zoma 30 novambra 2018, misy ny varavarana misokatra natao hampahalalàna ny besinimaro ny lalam-piofanana ao amin’ny ENS. Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy androany 27 novambra ity hetsika ity ka tamin’io fotoana  io no nanolorana ny mari-pankasitrahana ho an’ireo mpampianatra sy mpandraharaha nahavita be tao amin’ny sekoly, nandraisana  sy nitsofan-drano ireo mpianatra 350 taona voalohany.

Mpiasam-panjakana

Tao anatin’ny telo izay nisian’ny herinandron’ny ENS. Haneho ny voka-pikarohany ireo mpampianatra mpikaroka nahavita ny “doctorat” rahampitso. Nambaran’ny talen’ny ENS, Henriette Ramanambelina fa manan-talenta ireo mpianatra ka natao ity hetsika ity mba ahafahan’izy ireo maneho izany. Hisy ny hetsika ara-koltoraly ny 29 novambra 2018. Ao anatin’ny fandaharam-potoana rahampitso alakamisy ny fanaovana diabe miainga eo “lycée moderne Ampefiloha” (LMA), mandalo ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena (MEN), ny hôtel Carlton Anosy ary mifarana any ENS Ampefiloha. Ho faranana amin’ny famoahana ny andiany ny mpianatra nahavita ny Licence sy ny Master ny herinandron’ny ENS. Mpianatra 300 eo no hivoaka amin’ny fomba ofisialy ny 30 novambra 2018. Araka ny fanazavan’ny talen’ny ENS fa 12 ny lalam-piofanana misy ao amin’ny ENS izany hoe ny taranja  rehetra hampianarina any amin’ny CEG sy lisea. Manana diplaoma bakalorea ny fepetra takiana  ary amin’ny alalan’ny fifaninanana no hidirana taona voalohany. Mpianatra 30 na 35 eo no raisina  isaky ny lalam-piofanana.Tao anatin’ny roa taona nisesy, niezaka ny MEN nandray  ireo mpianatra nivoaka tao amin’ny ENS. Rah any tarehimarika voaray, mpiofana 400 avy ao amin’ny ENS voaray mpampianatra ny taona 2016. Miparitaka manerana ny faritra izy ireo.

Lynda A.