SECES SAMPANA ANTANANARIVO: Mbola mihatra hatrany ny fampiatoana vonjimaika ny fampianarana.

Na dia efa mizotra amin’ny fifampiresahana amin’ny tomponandraikitry ny Ministera mpiahy sy eny anivon’ny fifampidinihana aza ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra, mbola miato ny  fampianarana  raha ho an’Antananarivo manokana. Nambaran’ny Filohan’ny SECES sampana Antananarivo, Sammy Georges RAVELONARIVO fa   efa eo am-pikaroham-bahaolana ny  tomponandraikim-panjakana mahefa manoloana ny fitakian’ny sendika. Na dia eo aza izany, mbola  mihatra ny fampiatoana vonjimaika ny fampianarana.

“Tsy fitiavana te hampikatso ny fampianarana no anton’izany fanapaha-kevitra  izany fa fangatahana ny fampiharana ny lalana izay nanome toky ny   fanantanterahana ny fitakian’ny sendika”, hoy hatrany ny Filohan’ny SECES Sampana Antananarivo.

Nampitaina tamin’ireo mpikambana ao anatin’ny sendika sampana Antananarivo izany omaly faha-30 May 2017. Tao anatin’io fivoriana io ihany koa no nanangonana ny hevitra ho entin’ny sendika hiatrehana ny filan-kevitra Nasionaly izay ho tontosaina ny alakamisy 01 jona 2017.