SALON INTERNATIONAL DES ACTEURS ECONOMIQUES (SIAE) : Hanome torolalana ahafahana mamaly ny tolotra any ivelany

Varotra fampirantiana, atrikasa momba ny torolalana ahafahana mamaly ny tolotra any ivelany ary fihaonana BtoB eo amin’ny samy mpandraharaha sy tompona orinasa no mameno ny  fandaharam-potoanan’ny « Salon international des acteurs économiques »  na SIAE. Tanterahina nanomboka ny 13 oktobra ka hatramin’ny 16 oktobra 2022 eny amin’y CCI Ivato ny SIAE. Ny RIANO Agency sy ny federasionan’ny tranoben’ny varotra sy ny indostria eto Madagasikara (FCCIM) no mikarakara ity hetsika  iraisam-pirenena ho an’ny mpisehatra ara-toekarena ity. 200 ny isan’ny mpandray anjara izay misandrahaka amin’ny sehatra maro toy ny fifandraisan-davitra, fikirakirana vola, sakafo, lamaody, fambolena, fitaterana sy ny maro hafa. Mandray anjara eny an-toerana ihany koa ireo sampandraharaham-panjakana tsy afa-misaraka amin’ny fandraharahana toy ny sampandraharahan’ny hetra. « Misy amin’ireo mpandray anjara no avy any Mayotte, Dubai, Tanzanie, La Réunion », hoy Rasoamalala Bako, Talen’ny tetikasa SIAE nandritra ny fanokafana ny hetsika, ny 13 oktobra 2022. Nambarany fa  voarakitra ao anatin’ny tranokalan’ny SIAE  ny tolotra rehetra omen’ny mpandray anjara. « Izany no natao dia ahafahan’ny orinasa avy ivelany liana hiara-hiasa”, hoy izy. Nilaza ny Tale Kabinetran’ny ministera misahana ny fampiroboroboana  indostria, ny varotra sy ny fanjifana fa manampy ny mpandraharaha amin’ny sehatra misy azy avy ny ministera amin’ny alalan’ny tranoben’ny varotra sy ny indostria.

Lynda A.