SALON INTERNATIONAL DE L’HABITAT: Hanome fihenambidy goavana amin’ireo tolotra momba toeram-ponenana ireo mpandray anjara 120

Ahitana zavabaovao tsara kalitao nefa miaro ny tontolo iainana. Ho hita amin’ny toerana iray  avokoa ireo akora na fitaovana na tolotra momba ny toeram-ponenana. Manomboka amin’ny akora ilaina amin’ny fanamboarana trano (simenitra vy, hazo, vato, loko…), kojakoja ilaina amin’ny fanaingoana ao anatiny sy ivelany ny trano, angovo azo amin’ny herin’ny masoandro, tolotra momba ny fanamboarana trano, ka hatrany amin’ny tolotra momba ny trano sy tany. Azo jerena na jifaina  mandritra ny « salon international  de l’habitat »  na SIH ireo rehetra ireo. Nanomboka ny 19 septambra 2023 ny andiany faha-25 amin’ny tsenabe iraisampirenena momba ny toeram-ponenana. Eny amin’ny Hazovato Forello  Expo Tanjombato  no hanatanterahana azy. Ny alahady 22  oktobra 2023 vao hifarana ny SIH.

Orinasa mihoatra ny 120 no mandray anjara. «  Ho fanamarihana  ny faha-25 nikarakarana ny hetsika dia manome fihenambidy goavana ireo mpandray anjara », hoy i Ramanantsoa Harilala, mpandrindra ny hetsika karakarain’ny Hazovato. « Aingavao », io no lohahevitra nampitondraina ity andiany ity. «  Hanome ny tsara indrindra sy ireo zavabaovao misy aingavao sy tsara kalitao ho an’ny mpitsidika ny mpandray anjara. Ho fanandratana ny vita malagasy ihany koa no tanjona amin’ny hetsika », hoy i Gérard Monloup, Filohan’ny  Hazovato Forello  Expo, nandritra ny fanokafana ny SIH. Mampiavaka ny andiany faha-25  ny fametrahana toerana manokana ho an’ireo tolotra momba ny toeram-ponenana, mandray anjara amin’ny fiarovana ny tontolo iainana.  Manohana ny hetsika ny Sekretariam-panjakana miadidy ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana ka ho hita mandritra ny efatra (04) andro ireo tolotra omen’ny ministera momba ny trano fonenana, mifanaraka amin’ny fahefa-mividin’ny tsirairay sy ireo tetikasa vao ho tanterahana. Manohana ny SIH ny Sekretariam-panjakana miadidy ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana

Lynda A.