SALON INTERNATIONAL DE L’HABITAT FAHA-25: Afa-po ny mpandray anjara sy ny mpitsidika

Tratra ny tanjona. Mihoatra ny 15.000 ny mpitsidika nandalo teny amin’nys « salon international de l’habitat », andiany faha-25. Orinasa 120 misehatra amin’ny toeram-ponenana (akora ilaina amin’ny fanamboarana trano, tolotra momba ny trano sy ny tany, fitaovana na tolotra amin’ny fanaingoana ny anatiny sy ivelany ny trano, ny zaridaina…) no nandray anjara nandritra ny efatra’andro.  Nanomboka ny 19 oktobra ny hetsika ary nifarana omaly 22 oktobra 2023, teny amin’ny Hazovato Forello Expo Tanjombato.

Ho fanitarana ny lalam-barotra sy fanomezana fahafaham-po ho an’ny mpanjifa no antom-pisian’ny hetsika tahaka itony. Tratra ny tanjona ho an’ny mpikarakara. « Afapo ny mpandray anjara  izay nitondra ny entany, ny fahaiza-manaony, ny servisy hananany. Nahalafo entana sy nahazo laharan’ny findain’ireo mpanjifa vaovao  izy ireo. Afa-po ihany koa ny mpanjifa, ny mpitsidika  hetsika satria nisy ny fihenam-bidy nahafahana nanararaotra nividy entana”, hoy i Ramanantsoa Harilala, mpandrindra ny hetsika karakarain’ny Hazovato nandritra ny famaranana ny SIH.

Notolorana mari-pankasitrahana ireo mpandray  anjara ka orinasa 60 no nahazo izany . Orinasa efa nandray anjara nihoatra ny dimy (05)  taona sy 10 taona tamin’ny “salon international de l’habitat” ny 30 tamin’ireo nahazo mari-pankasitrahana. Orinasa vaovao sy ankafizin’ny mpitsidika indrindra ny 30 ambiny. Rehefa nanontaniana ny mpitsidika dia ny orinasa Somalaval, misehatra amin’ny loko no nankafizin’izy ireo. Ny lafiny vidin’entana, ny fampirantiana sy ny fandraisana ny fanontaniana napetraka tamin’izy ireo.

Lynda A.