SALON DES ETUDES SUPÉRIEURES: Manoro ny tanora tsy ho diso safidy amin’ny lalam-piofanana

Mbola mitohy rahampitso 8 septambra 2023 ny « salon des études supérieures ». Efa 20 taona ny Mada Jeune no nikarakara ity hetsika ity ho fanampiana ny mpianatra vao afaka fanadinana bakalorea ahitana ny oniversite mampianatra ny lalam-piofanana mety aminy. Eny amin’ny Akoor Digue Andohatapenaka no hanatanterahana ny andiany faha-20. Nanomboka androany 7 septambra 2023 ny hetsika ary maharitra roa andro. « Olana amin’ny tontolon’ny fampianarana eto Madagasikara ny tsy fahampian’ny torolalana alohan’ny BAC  toy ny fampahafantarana ny mpianatra dieny any amin’ny kolejy sy lisea ny sokajy sy ny lalam-piofanana  mifanaraka amin’izany ary ny asa afaka atao », hoy i Andriamahatsangy Lahatra, mpikarakara ny hetsika. Oniversite tsy miankina eto Madagasikara sy any ivelany, ivon-toeram-pampiofanana arak’asa miisa 70 no mandray anjara.

Mampiavaka ity andiany ity ny trano heva natokana hanoroana ireo tanora tsy mbola manana hevitra mihitsy ny amin’ny lalam-piofanana ho ratoviny. Manampy azy ireo hahalala ny lalam-piofanana  mety aminy  ny fikambanana TTanora amin’ny alalan’ny fanaovana fitsapam-pahazaina sy fijerena ny manavanana ilay mpianatra. Misy manam-pahaizana manokana momba io fanoroana ny tanora ny lalam-piofanana mety aminy sy ny asa mifandraika amin’izany eny an-toerana.  « Manoro lalana ny tanora ny lalam-piofanana sy asa mifanaraka amin’izany no ataon’ny TTanora. Manomboka any amin’ny kolejy dia manoro azy ireo ny sokajy, ny lalam-piofanana sy ny asa mifanaraka amin’izany ary dingana rehetra ahatongavana amin’izany ny fikambanana. Ialàna amin’ny diso safidy amin’ny lalam-piofanana sy tsy fahitana asa no tanjona. », hoy i Andriamiarozakamananjo Lalaina, Tomponandraikitry ny serasera ao amin’ny TTanora. Nanamafy izy fa tokony dieny any amin’ny kolejy ny mpianatra dia efa atoro azy ny fianarana sy asa mety aminy. « Ohatra raha mankafy  sary izy  dia atoro azy ny lalam-piofanana mety aminy toy ny designer ». Ankoatra izay, sarotra ny mahita asa rehefa vita fianarana. Manampy ny tanora ahita asa ny fikambanana.

Lynda A.