SALON DE L’ETUDIANT ET INSERTION PROFESSIONNELLE : Ho fanampiana ireo tanora eny Ambohitrimanjaka

Manatona ireo tanora eny amin’ny tontolo ambanivohitra. Eto Antananarivo Renivohitra matetika no ahitana hetsika natao hanampiana ireo tanora amin’ny lafiny fianarana sy ny asa. Nanatona ireo tanora teny anivon’ny kaominina Ambohitrimanjaka kosa ny ny NM Event’s.  Nandritra ny tontolo andron’ny  08 janoary 2021 tao amin’ny efitrano malalaky ny kaominina.  Nikarakara « salon de l’étudiant et insertion professionnelle » ity orinasa mpikarakara hetsika aman-danonana ity.  « Ny tanora tety Ambohitrimanjakan no nitaky fisian’izao hetsika izao. Maro ihany koa ny tanora eto Ambohitrimanjaka no ao anatin’izany fampianarana izany, maro no afaka bakalorea.  Misy ny hetsika marobe ao Antananarivo, misy ireo tanora tsy manana enti-manana, tsy mahafantatra ny fisian’izany hetsika izany. Koa maninona raha aty amin’ny tontolo ambanivohitra indray no hisian’ny hetsika fa tsy mijanona ao an-drenivohitra ao ihany”, hoy ny tale mpanatanteraky ny NM Event’s,  Rasoamanantany Natacha Vololonirina, nanazava ny antom-pisian’ity ny « salon de l’étudiant et insertion professionnelle » andiany voalohany ity.

Nambaran’ny tale sady mpandrindra  ny hetsika ao amin’ny NM Event’s, Andriamamonjy  Mihatsintsoa  Hariniaina fa araka ny fanadihadiana natao teny an-toerana dia maro ny tanora no tsy an’asa kanefa maniry ny hiasa. “Anisany hanampiana azy ireo ity hetsika ity. Eo ihany koa ny hoe ho  fampivoarana ny kaominina Ambohitrimanjaka  amin’ny lafiny rehetra. Hanampiana tanora mba hanana vina amin’ny ho aviny”, hoy izy. Am-palony ireo oniversite, ivon-toerana fampiofanana arak’asa nandray anjara tamin’ny salon. Nampiavaka ny hetsika ny fandrasain’anjaran’ireo ivon-toerana manampy ny tanora hanangana orinasa ho azy manokana sy ho lasa mpandraharaha.

Lynda A.