SALON DE LA RENTRÉE UNIVERSITAIRE : Hifarana androany ny hetsika.

Nanomboka omaly ny  Salon de la rentrée universitaire, andiany  2107. Mbola manana fotoana anefa ireo mpianatra vao afaka bakalorea hitady ny oniversite mifanaraka amin’ny lalam-piofanana tian’izy ireo ho rantovina.  Oniversite maro no mampahafantatra ny karazana lalam-piofanana misy  ao amin’izy ireo eny amin’ny Village Voara Andohatapenaka. Manodidina ny dimam-polo ny trano heva hita eny an-toerana

Raha ny tombana nataon’ny mpikarakara tamin’ny fanombohana ny hetsika, ny serasera  sy ny fifandraisan-davitra no lalam-piofanana nahaliana ny mpitsidika.

Marihina fa hifarana androany 01 septambra 2017 ny hetsika.