SAKAFON’NY VOAFONJA: Hiova ho karazan’ny telo

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny 15 janoary 2019 ny taom-pitsarana 2019. Nandritra izany no nilazan’ny ministry ny fitsarana Noro Vololona Harimisa fa niezaka ny ministeran’ny fitsarana tamin’ny fanavaozana sy fikarakarana ny zon’olombelona, ny zon’ny voafonja. “ Manomboka amin’ity taona 2019 ity dia miakatra zato isan- jato ny teti-bola ho an’ny fandraharahan’ny fonja”, hoy ny ministra. Hanombohana izany ny famoahana ny toro-làlana ho an’ny sakafon’ny voafonja. Efa natomboka tany Toliara sy Miarinarivo izany, araka ny fanazavan’ny minisitra Noro Vololona Harimisa.

Tsy ho mangahazo fotsiny toy ny teo aloha ny sakafon’ny voafonja fa hitombo sakafo hafa. “Hiova ho karazan’ny telo izany”. Nanamafy ny ministry ny fitsarana fa noho ny firaisam-po sy ny fahavononan’ny fianakaviamben’ny ministera no nahafahana nanavao ny fomba fiasa. Mirary ihany koa izy fa hotohizan’izay ministry hisolo toerana azy amin’ny governemanta vaovao ny asa efa nataony. Raha izay ny resaka sakafo mba ahoana kosa indray ny foto-drafitr’asa ho an’ny fonja ? Manana fanantenana ve ireo voafonja fa hiaina ao anatin’ny foto-drafitr’asa manara-penitra ka tsy hifanisika tahaka ny afokasoka ao anaty boaty intsony rehefa matory ?

Lynda A