ROTARY CLUB ANTANANARIVO MAROLOKO: Fizarana “kits scolaires” ho an’ny EPP Antanetibe-Ilafy

Tohin’ny fanampiana natao tamin’ny ray aman-drenin’ny mpianatra. Nizara fanomezana ho an’ireo mpianatry ny EPP Antanetibe-Ilafy  nahazo naoty tsara, tamin’ny taom-pianarana lasa teo, ny Rotary Club Antananarivo (RCA) Maroloko ny 26 oktobra 2020. 112 ny isan’izy ireo ka fitaovam-pianarana (kits scolaires) toy ny cahier, stylo, règle no azon’ireo ankizy, isaky ny kilasy, nahazo salan’isa mihoatra ny 12. Nahazo kitapo fanampiny ireo ankizy nahazo ny laharana voalohany. Ho an’ny kilasy faha-11 sy ny ao amin’ny akany fibeazana (prescolaire) dia samy nomena fitaovam-pianarana ihany koa ary samy nitondra fahatsiarovana kely avy ireo mpianatra ambiny. Tsy vitan’izany fa mbola nanolotra kojakojam-pampianarana ho an’ny mpampianatra toy ny cahier, taratasy fotsy… ihany koa ny fikambanana.  “ Ity fizarana fitaovana ho famporisihana ny ankizy hianatra tsara ity dia tafiditra ao anatin’ny fandaharan’asa fanomezana vatsim-pianarana an’ny Rotary Club Antananarivo Maroloko”, hoy ny filohan’ny fikambanana, Ramiandrison Jimmy.

Tanjona voalohany ao anatin’io fandaharan’asa io ny fanamaivanana ny fahasahiranan’ny ray aman-drenin’ny mpianatra. Nambaran’ny Filohan’ny RCA Maroloko fa efa nisy ny fanampiana ara-bola nomena ny ray aman-drenin’ny mpianatra ao amin’ny EPP Antanetibe-Ilafy ho amin’ity taom-pianarana vaovao ity. “Nomanina talohan’ny filazan’ny fanjakana fa hisy ny fanampiana ho an’ny sekolim-panjakana  io fanampiana io dia niantso malala-tanana izahay. Raha ny tokony ho izy dia misy latsakemboka tokony alohan’ny ray aman-drenin’ny mpianatra handoavana ny karaman’ny mpampianatra sy ny mpiambina ary ny fampandehanan-draharaha ety an-toerana. Efa nisy ny fifampiresahana natao tamin’ny Talen’ny sekoly. Raha manome ny fanjakana dia dinihana miaraka ny fomba hampiasana ny vola nomenay , ohatra entina hanatsarana ny sekoly”, hoy hatrany Ramiandrison Jimmy. Marihina fa mpianatra 261 nahazo io tohana ara-bola io ary mitentina 7.802.000 Ariary ny fitambaran’ny vola nilaina tamin’izany.

Lynda A.