RIVO-DOZA ENAWO: Ao amin’ny Distrikan’i Betroka faritra Anosy no misy ny foibeny.

Ao amin’ny Distrikan’i Betroka faritra Anosy no misy ny foiben’ny ENAWO. Tsiodrivotra 50 Km/ora sy tafiotra mahatratra 65 Km/ora no manodidina ny ivony. Mikisaka mianatsimo izy ary mahafaka 30 Km/ora. Toy izao ny filazana loza manankery manomboka eto:

Filazana miloko manga ho an’ ALAOTRA MANGORO , ATSINANANA , PROVINCE D’ANTANANARIVO, AMORON’I MANIA, HAUTE MATSIATRA sy VATOVAVY FITOVINANY.

Loza mitatao na loko mena kosa ny faritra IHOROMBE, ATSIMO, ATSINANANA , ANOSY, ANDROY, FARITRA ATSIMO ANDREFANA afa-tsy MOROMBE sy TOLIARA I sy II.

Iangaviana ny mpanjono andranomasina mbola tsy hiandriaka fa mbola mahery ny ranomasina.