RAY AMAN-DRENY MIJORO: Manana vahaolana hanalana an’i Madagasikara amin’ny fahantrana.

Notolorana tamin’ny fomba ofisialy ny herinandro lasa teo ny boky “Tolo-tanana ho an’i Madagasikara” navoakan’ny Ray aman-dreny Mijoro.. Fanefitra   iray ho entin’ny fiarahamonim-pirenena hanalana an’i Madagasikara ao anatin’ny krizy ity asa soratra ity. Manoloana izany, notolorana maimaim-poana ny boky ireo tomponandraikitra  mahefa amin’ny fampandrosoana ny firenena toy ny FFKM, Praiministra, Filohan’ny  Antenimierandoholona, CENI…

Voafehy ao anatin’ity boky ity avokoa ny fomba rehetra ahafahana manala ny firenena Malagasy amin’ny fahantrana ary voarakitra ao ihany koa ny hafatra rehetra nataon’ny Ray aman-dreny Mijoro nandritra ny efa-taona nijoroany.

Marihina fa azo jifaina  amin’ny vidiny 10.000 Ariary, eny amin’ny trano boky mahazatra  ihany koa  ny boky “Tolo-tanana ho an’i Madagasikara”.