RASOLOFONORONIAINA JULIA MICKAËLLE (MISHAH): Kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena 2023

Vehivavy fahatelo nilaza am-pahabemaso fa kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny 9 novambra 2023 i Rasolofonoroniaina Julia Mickaëlle na i Mishah. Ny alarobia 22 aogositra 2023 teny Mamory Ivato ny tenany no nanao ny fanambaranana. Ny fanovàna ny lalam-panorenana sy firosoana amin’ny Repoblika fahadimy  no laharampamehana voalohany ho azy raha tonga eo amin’ny fitondrana. Nambarany fa mahatonga savorovoro politika sy mampahantra ny Malagasy ny Repoblika fahaefatra. « Tsy natao ho an’ny tombontsoan’ny vahoaka Malagasy ny lalam-panorenana amin’izao fotoana izao fa ho an’ny vahiny. Laharam-pamehana voalohany  ny fanovàna ny lalam-panorenana ka hisy ny fitsapan-kevi-bahoaka », hoy izy. Nilaza i Mishah fa nampahantraina ny Malagasy. Ny fitiavan-tanindrazana no manosika azy hirotsaka ho fidiana.  » Anisany olana eto Madagasikara ny fisian’ny tsy maty manota, ny kolikoly  avo lenta. Vonona hanao vy very ny aiko aho hanavotana ny tanindrazako. Ho tombontsoan’ny  vahoaka Malagasy no jerena fa tsy tombontsoan’ny olombitsy », hoy izy. Ao anaty ny vinany ihany koa ny fanampiana tanora, ny vehivavy, ny tantsaha ary fiarovana amin’ny tontolo iainana. Manambady aman-janaka i Rasolofonoroniaina Julia Mickaëlle. Nianatra manokana momba  ny fitantanan-draharaha, lalàna iraisam-pirenena, politika ny tenany. Teknisiana amin’ny tontolon’ny  farmasia izy ary an-dalam-pamaranana ny fianarana momba ny lalàna iraisam-pirenena sy diplaomasia, ahazoana ny diplaoma Master 2. Raha amin’ny lafiny sosialy, hetsika maro no efa nataony ho fanampiana ny mpiara-belona. Filohan’ny  fikambanam-behivavy Force Féminine d’Aide Mutuelle (FFAM), Filoha mpanorina ny Vondrona Maroloko Mpanome Tanana ny Filoha (VMMTF)  izy.

Lynda A.