Rado Ramparaoelina: Ny fanabeazana no laharam-pamehana.

Tafapetraka tamin’ny fomba ofisialy ny zoma teo ireo Ben’ny Tanana miisa 26 eny amin’ny distrika Atsimondrano. Tafiditra ao anatin’izany ny Ben’ny Tanana an’ny kaominina Ampitatafika. Ny fanabeazana no anombohany ny fandaharan’asany. Laharam-pamehana tao anatin’ny fampielezan-kevitra talohan’ny fifidianana ny fampidirana ny ankizy an-tsekoly ka izany no anombohany ny asa voalohany. Noho izany, asa mahamaika ny fananganana sekolim-panjakana toy ny EPP, hoy Rado Ramparaoelina, Ben’ny Tanana Ampitatafika. Efa nitondra ny kaominina teo aloha ity farany ary mbola lany fanindroany io indray.

Maro ny tetikasa fampandrosoana nampanantenain’Rado Ramparaoelina ho vitaina mandritra ny dimy taona itondrany ka anisan’izany ny fanampiana ny efitrano ao amin’ny Lycee sy ny fametrahana fitaovana informatika na “mediatheque”, ny fanamboarana ny lalana, ny fanazavana ny Tanana toy ny fanampiana ny jiro an-dalambe.

Vaindohan-draharaha ihany koa ny fanajariana kianja fanaovana fanatanjahan-tena satria tsy mbola manana ny azy manokana ny kaominina fa toerana manan-tompo no nampiasaina hatramin’izay.

Eo amin’ny lafiny fambolena sy ny fiompiana kosa no horesahina dia hohatsaraina bebe kokoa ireo sehatra ireo amin’ny alalan’ny fanamboarana tohan-drano iankinan’ny fambolena, ny fanomezana masom-boly voafantina sy zezika ireo tantsaha,hoy hatrany izy.

Ankoatra izany, hohamafisina ihany koa ny fifandraisana eo amin’ny kaominina sy ireo ratsa-mangaika rehetra eny anivon’ny fokontany rehetra. Nomarihan’ny Ben’ny Tanana fa ireo mety endrika fandoavam-bola rehetra eny amin’ny kaominina dia tsy maintsy misy fanamarinana mba hisian’ny mangarahara.

Vonona hiara-hiasa am-pirahalahiana amin’ireo mpanolotsaina voafidy ny tenany na dia samy manana ny loko politika avy aza izy ireo.

Lynda A.