Rado Ramparaoelina : Hisy lalam-baovao hampitohy ny RN1

Nalai-nisaraka tamin’ny kandida TIM, laharana faha-03 eny amin’ny kaominina Ampitatafika Rado Ramparaoelina ny vahoakan’ny fokontany Ambohibary. Nanazava ny endrika fanaratsiana ataon’ny mpifaninana aminy sasany izy.  nolazaina fa namarotra tanim-panjakana tamina mpandraharaha iray izy tamin’ny taona 2008. Nanainga ny vahoaka, indrindra fa izay manana karapanondro rehetra Rado Ramparaoelina hanamarina izany  eny amin’ny birao mikarakara ny fananan-tany. Nohamafisiny ihany koa  fa mbola misoratra amin’ny fanjakana io tany anenjehana azy io. « Lainga avokoa ny fanaratsiana rehetra atao aminy ».

Namboraka ny hetahetany tamin’ity kandida ity ny mponina ao amin’ny fokontany Ambohibary. Tantsaha avokoa ny maro anisa ao ka ny fanamboarana ny fefiloha  sy ny lalana no mahamaika voalohany azy ireo. Nampanantena Rado fa afaka fotoana vitsy dia hotanterahiny izany.

Lalana  ho ravahina hazo oliva. Mbola nanohy bny fampielezan-kevitra tao amin’ny fokontany Ambodiafotsy  ny ekipan’ny Rado na dia efa maizina aza. Vahoaka maro nandray azy ireo tamin’io fotoana io. Nampafantatra ny mponina tao izy  fa mbola  hanampy ny kandida TIM  lany Ben’ny Tanana  ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana.  Nandritra ny lahateniny dia nambarany fa ho vitaina tsy ho ela ny lalana mirefy 340 m ary horavahina oliva izany. Mpandraharaha iray no mamatsy vola ity tetik’asa ity fa hatolotra ho lalam-bahoaka kosa rehefa vita izany. Lalana hampitohy ny kaominina Ampitatafika sy ny RN1 izy ity rehefa vita soamatsara.

Lynda A.