PST MAILHOL: Mitaky fitoniana ara-politika.

“Ho taona hanjakan’ny filaminana ara-politika anie ity taona 2017 ity”, hoy i Pasteur Mailhol.  Nambarany fa efa nisy ny dingana efa vita ka tokony ho tohizana izany ho fampandrosoana ny firenena Malagasy. Tokony hajanona amin’izay ny fanakorontanana.

Nanamafy hatrany ity mpitondra fivavahana Apokalipsy ity fa nentina nandotoana azy ireny  resaka niparitaka tany amin’ny tambazotran-tsosialy Facebook ireny. “Ny fahafenon’ny kianjan’Antsonjombe sy ny nahazoako ny mari-boninahitra no nanaratsiana ahy  fa hanongam-panjakana”, hoy izy teny Iavoloha.