PROSPERER BOENY: Mikaroka vahaolana ho an’ireo tantsaha mpamboly “black eyes”

Velo-taraina ireo mpamboly lojy na voanemba fotsy mainty maso na “black eyes” ao amin’ny kaominina Manerinerina, distrikan’i Ambato Boeni, faritra Boeny.  Anisany mpamokatra lojy, hahondrana any ivelany io kaominina io saingy miditra fantiantoka ny ankamaroan’ny tantsaha. Nambaran’ny ben’ny tanàna, Davy André fa foto-piveloman’ny mponina ao amin’ny ao amin’ny kaominina Manerinerina tantaniny ny fambolena lojy. Betsaka hoy izy  ny mason-karena kanefa loza no mitranga rehefa amidy ny vokatra.

Manaiky tsy fidiny

Nitotongana ny vidin’ny “black eyes” miainga eny amin’ny tantsaha mankany amin’ny mpanangom-bokatra. Raha ny fanazavan’ny tantsaha, mpamboly lojy, avy amin’ny kaominina Manerinerina 240.000 Ariary ny hangalan’ny mpanangom-bokatra ny gony iray, milanja 120 kilao tamin’ny taona 2016. Nidina ho 160.000 Ariary izany ankehitriny. Izany hoe lasa 1600 Ariary izany tamin’ity taona raha 2000 ariary ny kilao lojy 4 taona lasa.

Isaky zoma ny fotoana hanangonan’ireo mpanangombokatra ny lojy ao amin’ny kaominina Manerinerina. Misy amin’ireo tantsaha tonga hivarotra ny vokatra no iharan’ny fanambakan’ireo mpanera raha ny tranga hita tamin’ny zoma 21 jona 2019, andro nisokafan’ny “foaraben’ny lojy mitsangana, ny katsaka ary ny voamaina”, nokarakarain’ny fandaharan’asa Prosperer Boeny tao amin’ity kaominina ity. Avy hatrany ireo mpanera dia manatona ireo tantsaha ary milaza fa tsy mandray lojy amin’ny kilao fa tonga dia tomba-maso no hividianana ny iray gony. 120.000 Ariary ny tarehimarika ambaran’ireo mpanera raha tokony 160.000 Ariary. Misy amin’ireo tantsaha manaiky tsy fidiny satria mila vola. Mivaro-pananana mihitsy ireo tantsaha hividianana ny masom-boly, ny fanafody hiarovana amin’ny bibikely mpanimba ny voly, ny fandaniana maro samihafa mandra-piakatry ny vokatra, raha ny fanampim-panazavana nomen’ny Ben’ny tanàna.

Anisany mahatonga fatiantoka ho an’ ireo tantsaha ihany koa ny vidin’ireo fanafody hiarovana voly amin’ny bibikely. Araka fanazavan’ny tantsaha mpamboly iray dia in-efatra mividy fanafody izy ao anatin’ny fotoam-pambolena lojy. Roa volana sy tapany eo ny famokarana lojy ka eo anelanelan’ny volana aprily sy desambra ny fotoam-pambolena. Raha ny vaovao mari-pototra dia misy amin’ireo mpanangombokatra no mivarotra fanafody hikoloana ny voly ka amidin’izy ireo lafo izany ary indraindray fanafody tsy mety amin’ny voly akory no omen’izy ireo tantsaha. Nambaran’i Velomaro, mpamboly lojy fa misy amin’ireo fanafody hiarovana amin’ny bibikely mpamotika voly no 50.000 Ariary ny iray.  “Noho ny tahotra ny hahasimba ny voly dia voatery mividy izany izahay”.

Ezaka

Mangataka amin’ny ministera voakasika ny tantsaha mba handefasana teknisianina, hanoro ny tokony ataon’izy ireo ary hialàna amin’ny fanabakàna. Efa nitondra ny anjara birikiny ho fanampiana ny tantsaha eny kaominina ambanivohitra amin’ny zotram-pihariana lojy ny fandaharan’asa Prosperer, faritra Boeny. Nilaza ny mpandrindram-paritry ny Prosperer Boeny, Paulin fa ho fampiroboroboana ny zotram-pihariana lojy no antom-pisian’ny “foaraben’ny lojy mitsangana, ny katsaka ary voamaina hafa”. Ny 21, 22, 23 jona 2019 tao amin’ny kianja filalaovam-baolina, kaominina Manerinerina no nanatanterahana ny andiany fahatelo. Fomba iray hampihaonana ireo mpisehatra amin’ny zotram-pihariana lojy ity hetsika ara-barotra ity. Tsara ny mampatsiahy fa fandaharan’asam-panjakana, eo ambany fiadidian’ny ministeran’ny fambolena, ny fiompiana ary ny jono (MAEP) entina hampiroboroboana ny fandraharahana  madinika eny amin’ny tontolo ambanivohitra ny Prosperer. Ny FIDA (Fonds International de Développment Agricole) no mamatsy vola ny fandaharan’asa tao anatin’izay 10 taona izay. Ireo tantsaha mivondrona ao anatin’ny koperativa no lohalaharana mahazo tohana amin’ny lafiny ara-teknika, fiofanana ary ara-bola.  Ankoatra ireo tantsaha mpamboly lojy, katsaka sy voamaina hafa dia nandray anjara tamin’ny foaraben’ny lojy mitsangana ireo orinasa madinika, mpahazo tombontsoa amin’ny fandaharan’asa ao amin’ny faritra Boeny. Santionany amin’izany ny orinasa misehatra amin’ny fanodinana voankazo ho lasa “confiture”, ny rary, ny fiompiana akoho amam-borona, ny jono… Nohamafisin’ny mpandrindram-paritry ny Prosperer Boeny fa natsangana ny vovonan’ny mpisehatra amin’ny zotram-pihariana lojy mba ahafahan’ireo tantsaha mpamboly, mpanangom-bokatra, mpitatitra ny vokatra, orinasa mpanondrana mifanerasera mba samy hahazo tombony.

Marihina fa 24.000 taonina isan-taona ny vokatra lojy nahondran’i Madagasikara. Nidina ho 16.000 izany ny taona 2016 satria simba ny masom-boly ary tsy voafehy ny fampiasana fanafody, raha ny tarehimarika nambaran’ny lehiben’ny faritra, mpisolo toerana vonjimaika Boeny. Averin’ny tsena iraisam-pirenena ny vokatra rehefa betsaka tahan’ny “pesticide” ao amin’ny vokatra lojy.

Lynda Andriatsitonta