Pro Ravalomanana: Niova ho Soamanakasina.

Nambara tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny 14 aprily teo fa niova ho Soamanakasina ny fikambanana Pro Ravalomanana. Ho fanohizana ny asa sy hanandratana ny tanjony fikambanana nipoirana no antony izany, hoy ny filohan’ny fikambanana Atoa RABARY Allain Dieu Donne Alphonse. Hamerenana ny hasin’ny fiandrianam-pirenena ihany koa no anisany nanovana ny anaran’ny fikambanana. « Mijoro hamerina ny hasin’ny soatoavina sy ny fihavanana maha Gasy ny Gasy no tarigetranay » hoy hatrany ny filohany. mba ho lalana hifehy ny fiarahamonina ka hampirindra ny Aina-Teny-Hery. Nambaran’ny filohan’ny fikambanana fa  » vitanay sy voafehinay tanteraka ny fanatanterahana ny rindram-pihavanana ». Noho izany, mangataka ny fanantontosana ny fampihavanqm-pirenena eo ambany fiahian’ny olon-kendry izay heverina ho manana fomba fijery sy foto-pisainana araka ny fahendrena Malagasy. Nohamafisin’ny filohan’ny fikambanana ihany koa fa tokony omena lanja ny fampiasana ny teny Malagasy izay nambarany fa feon’ Andriamanitra. misy hifandraisany amin’ ny toetra ny fampiasana azy. Ohatra amin’izany, filoha izay mitovy fanonona amin’ny teny frantsay hoe flou na manjavozavo, filou na hafetsifetsena. Nambarany fa mamaritra ny toetra na zava- misy ny fampiasana teny ka tokony hasiam-panavaozana. « Tokony ho soloina ho  » olon-tendrim-bahoaka » izany anarana iantsoina ny filoha », hoh izy. Nomarihiny ihany koa fa miainga amin’ny teny ny fampandrosoana an’i Madagasikara satria avy amin’ny feon’Andriamanitra. « Miantso ny filoham-pirenena, praiminisitra ary andrim-panjakana rehetra izahay hanaja izany, izay niandohan’ny zavatra rehetra. Noho izany, ho fanehoana fa manana ny fiandrianam-pirenena ny Malagasy dia aoka atao amin’ny teny  Malagasy manontolo ny taratasim-panjakana rehetra sy ny taratasim -pitsarana . Mba ho hain’ny vahoaka tsy ankanavaka ny andinindininy.

Lynda A.