POLISIM-PIRENENA: Niaina fety am-pilaminana ny Malagasy.

Adiady an-dalambe no tena nanjaka nandritra ny fety. Nihena kosa ny asan-jiolahy. Ny fisafoana ireo faritra mafana nataon’ny polisim-pirenena no anisany nahatonga izany. Nampitomboana rahateo ny isan’ireo polisy. “Niasa hatramin’ny mpianatra vao nivoaka  mba hiaina ao anaty fety am-pilaminana ny vahoaka Malagasy”, hoy i Alexandre Sylvain RANAIVOSON, Kaomiseran’ny polisim-pirenena misahana ny serasera.

Vokany, tanteraka ny fanamby napetraky ny polisim-pirenena. Ny filaminana voatandro. Ny fifamoivoizana voarindra ary mbola mitohy izany hatramin’izao.

Hivoaka amin’ny fomba ofisialy tsy ho ela ireo mpianatra vaovao ireo.