PHARMADIFF: “Sivy hetsy ireo Malagasy diabetika”

“Ahitana taha ambony amin’ny diabeta ny tany mahantra sy an-dalam-pandrosoana”.Ny  tsy fanjarian-tsakafo na tsy fahaizana misakafo dia anisany mahatonga olona ho voan’ny diabeta. Mbola vitsy anefa ireo manao fitiliana an’io aretina io kanefa mitondra izany. Zava-doza anefa no mitranga raha tsy tsaboina mialoha izany. “Miafara amin’ny fanapahana ny tongotra sy ny tanana ary fahajambana ny diabeta rehefa tsy manaraka fitsaboana”, hoy i Vonjy RAFALIMANANA, Talen’ny orinasa PHARMADIFF.

Isaky ny volana novambra natokana ho an’ny diabeta, mandray anjara amin’ny fiadiana ny aretina ny PHARMADIFF.  Amin’ny maha orinasa maninjara ny fitaovam-pitiliana ny diabeta  an’ity farany no nahatonga azy niara- niasa tamin’ny  toeram-pitsaboana misahana ny diabeta, AMADIA. Araka ny fanazavan’ny tomponondraikitra ao hatrany, Diana RAKOTOARISON, tsy mijanona eto Antananarivo ihany ny fiarahamiasan’ny orinasa  amin’ny AMADIA  fa hatrany amin’ny faritany.

Nifarana omaly ny iray volana iadiana ny diabeta, nisy ny hetsika nokarakarain’ny roa tonta teny amin’ny Lapan’ny Tanana Analakely.  Olona maro be no tonga namaly ny antso. Mamaim-poana  rahateo ny fitiliana ny diabeta.

Raha ny antontan’isa avy any amin’ny sampandraharaha iraisam-pirenena misahana ny fahasalamana, 4%-n’ny Malagasy no heverina fa diabetika. 39.000 amin’ireo no efa voatily.