Pazzapa Next Gen: Mbola mahaliana ny mpankafy foana.

Efa mby akaiky ny dingana famaranana amin’ny fifaninana an-kira Pazzapa Next Gen. Ny asabotsy ho avy izao ny lalao manasa-dalana faharoa izay atao eny amin’ny A&C Hotel Ivato. Isafidianana ny mpifaninana iray hifanitsana amin’ i Zoe izay lany tamin’ny andiany voalohany io fotoana io. Tovovavy samy manana talentany eo amin’ny fihirana na i Fanie na i Melanie na i Maurena na i Mello’h. Izy efatra mirahavavy ireo no hiatrika izany dingana izany.

Miezaka manatsara ny lalao amin’ny lafiny rehetra ny mpikarakara, araka ny fanazavana azo avy amin’i Christian Ratovonony, mpamorona ny Pazzapa. Aorian’ity andiany ity, ho jerena akaiky sy hanampy ireo mpifaninana tafavoaka amin’ny famaranana ny mpikarakara, indrindra fa eo amin’ny sehatry ny famokarana ny raki-kira.

Nifampitaona teny amin’ny jumbo Score Ankorondrano ireo mpankafy ity fifaninana ity ny alarobia lasa teo. Nanararaotra naka sary niaraka tamin’izy valo mianadahy ary nangataka mari-pahatsiarovana tamin’ny alalan’ny sonia na teny kely tamin’ireto farany izy ireo.

Tsikaritra noho izany fa mbola tsy maty ao am-pony ny olona ny pazzapa na dia nangina tao anatin’ny taona maro aza. Anisany antony niarahan’ny tambazotra Telma niasa tamin’ny mpikarakara izany satria mifanandrify indrindra amin’ny tolotra vaovao “ internet 4G”,haingam-pandeha sy mitondra fandrosoana kokoa. Tafiditra ao anatin’ny tanjon’ny Telma ihany koa ny hanondrotra ny tanora mana-talenta, hoy Irina Rafaralahisoa, Gestionnaire de partenariat Telma.

Lynda A.