PASTEUR MAILHOL: “Sarotra ampihavanina ny Malagasy”.

Ny fampihavanana ihany no lalana tokona  ahafahana ny tsirairay mifankatia sy tsy mifankahala. Ho an’ny Fiangonana Apokalipsy, antso farany ho an’ireo Filoham-pirenena Malagasy dimy  ny  fotoan-dehibe omaly  ho famitram-pihavanana ho azy ireo. Indrisy, tsy nisy na dia iray akory tonga namaly ny fanasan’ity fiangonana ity. Laharam-pamehana tamin’ny fiangonana tarihin’ny Mpitandrina Mailhol nandritra ny fankalazana ny  faha-20 taona nijoroany,  teny amin’ny Coliseum Antsonjombe, izany fampihavanana  izany. “Sarotra ampihavanina ny Malagasy , indrindra fa ireo filoha nitondra teo aloha matoa tsy tonga tety”, hoy Pasteur Mailhol.  Nilaza ny tenany fa zary lasa politikan’ny seza sy valifaty fotsiny no ataon’ireo mpanao politika.

Ankoatra izany, nanamafy kosa anefa  ity lehiben’ny fiangonana Apokalipsy ity fa tsy vahaolana ny fanonganam-panjakana. “Hatramin’izay raha nandresy ny tolona toa  ireo mpanao politika no manan-karena fa  ny vahoaka Malagasy mahantra eny foana”, hoy izy.