PASITERA HERITIANA RANDRIARIMALALA: Ho tafarina ny firenena manomboka eto

“Tsy ny fivavahana no mahatonga ny firenena mitotongana fa ny fahotan’olombelona”, hoy i pasitera Heritiana Randriarimalala, filoha mpanorina ny fiangonana Vahao ny oloko. Mampatsiahy ny rehetra izy fa ny zava-mahadomelina, ny fijangajangana, ny kolikoly… no mampitotongana ny firenena. “Anjaran’ny fiangonana no manala ny olona ao anatin’izany”, hoy i pasitera. Ankoatra ny fitaizana ara-panahy, manampy ny mpino ao aminy amin’ny lafiny ara-tsosialy ny fiangonana Vahao ny oloko. Ohatra azo tsapain-tànana ny  fisokafan’ny sekoly “Amitié School” ao Andrefan’Ambohijanahary. Vao nisokatra tamin’ity taom-pianarana ity io sekoly natao ho an’ny mpino. Tsy misakana ny avy ivelany hianatra ao ihany koa anefa ny sekoly. Manomboka ny taona faha-enina ka hatramin’ny kilasy faha-folo  ny kilasy hita ao ary 600 eo ny isan’ny mpianatra amin’izao fotoana izao.

Tafarina

Naneho ny heviny ity mpitondra fivavahana avy ao amin’ny Vahao ny oloko ity momba ny fahalanian’ny filoham-pirenena vaovao. “Tsy misy olona tongatonga ho azy izany raha tsy Andriamanitra no mametraka azy”, hoy izy. Noho izany, na mety ny saina na tsia dia avy amin’ny Tompo io na iza na iza. Manam-pinoana izy fa ho tafarina amin’izay ny firenena manomboka eto.

Lynda A.