PASITERA BENJAMINA: Mitady an’Andriamanitra ihany rehefa …

Maro amin’izao fotoana izao no midodododo mitady an’Andriamanitra raha sendra ady sy olana fa indrindra rehefa marary. Ny ankamaroan’ireo sahiram-pivelomana dia efa fahazarana ho azy ireo izany. Noresahan’i  Pasitera Benjamina, ao amin’ny fiangonana FMFOI kosa ny momban’ireo mpanana-karena sy manam-pahaizana. “Rehefa tsy voavahan’ny harena hananany sy ny fahaizany amam-pahalalany izay vao midodododo miantso an’Andriamanitra”. Anisany mankany any am-piangonana ihany anefa izy ireo. Nambaran’i Pasitera fa afaka atao tsara ny miorina ara-panahy kanefa mijanona amin’ny maha izy anao ihany. Ho voamboasana eny amin’ny Lapan’ny Kolotsaina sy ny Fanatanjahantena Mahamasina izany ny sabotsy faha-08 ny volana oktobra 2016 izany.

“Manasa ny rehetra, indrindra fa ireo voalaza etsy ambony ho avy hanatrika izany”. Hanam-pinoana sy ho marin-toerana amin’ny ara-panahy sy ara-tsaina  avokoa na ny manan-karena na ny mahantra aorian’ny hetsika.