ORINASA SINOA JIUXING MINES: Nahazo alalana hitrandraka mandritra ny 22 taona.

Tsy mbola nisy lalana na fampilazana fa ho tapitra hatreo ny tetikasan’ireo sinoa  saika hitrandraka volamena ao Soamahamanina.  26 km tsy ho tonga any Miarinarivo no ahitana an’i Soamahamanina. “Malaza ho feno ala tapia saingy tsy ho voakitika ao anatin’ny toeram-pitrandrahana izany”, hoy i Dany RASOLOMANANA, Tale ara-teknikan’ny orinasa mpitrandraka.  Etsy ankilany, tsy mivarotra ny taniny velively  ireo manana tany hiasana fa mampanofa fotsiny. Herintaona no nifanarahan’ny roa tonta ary azo havaozina  hatrany izany.

Foto-drafitra  asa maro no vinavinaina hatsangana ho fampandrosoana ny tanana. Nampanantena hanao izany ny orinasa JIUXING MINES. Ankehitriny, niato ny  fitrandrahana vokatry ny fitokonana nataon’ny “vahoaka an’i Soamahamanina”. Tsikaritra aloha fa isaky ny fotoanan’ny tsena,  ny alakamisy” no raikitra ny tolona,  mitaky ny fialan’ireo sinoa. Nitaraina anefa ny tompon-tany iray, manana fifanarahana amin’ny orinasa fa tsy tokony amin’ny andron’ny tsena no manao fitokonana. Nahitana fihenana mantsy ny mpividy ka nidina nanaraka izany ny vola miditra. Matahotra sakoroka ihany koa ireo mpivarotra  fa sao very na potika ny entan’izy ireo ka hiditra fatiantoka.

Marihina fa 22 taona no afaka  mitrandraka ao Soamahamanina ireo sinoa. Tany mirefy 10 ha eo nahazo fifanarahana tamin’ny orinasa. Ho tanteraka tokoa ve ireo fampanantenana nifanarahan;ireo sinoa tamin’ny vahoaka raha nisy izany? Mifanaraka amin’ny  sandan’ny volamena azon’ireo ve ireo tetikasa ara-tsosialy ireo? Hanaiky ihany ve ny vahoaka an’i Soamahamanina ?  Miandry ny fivoaran’ny raharaha ny mpanaram-baovao rehetra. Hotaterinay eto hatrany ny tohiny.