ORIGIN AFRICA: Mandrafitra ny hetsika ireo mpiantsehatra amin’ny fanodinana lamba.

 

Anisany sehatra miroborobo eto Madagasikara ny orinasa miompana amin’ny fanodinana lamba ho lasa akanjo. Tsy maintsy misy aloha anefa ny indostria mpamokatra ny lamba vao afaka manao izany. Mifampitaona eny amin’ny Forello Tanjombato noho izany, ireo mpiantsehatra rehetra momban’ny lamba izay mivondrona ao amin’ny GEFP (Groupements des Entreprises Franches et Partenaires). “Sehatra iray ahafahan’ireo mpandraharaha miompana amin’ny fanamboarana  lamba ka hatrany amin’ny fanodinana azy ho lasa fitafiana ny Origin Africa”, hoy i Eva RAZAFIMANDIMBY.

Manodidina ny 200  ireo orinasa , mikambana ao amin’ny  GEFP,  mandray anjara mandritra ny telo andro.

Manomboka androany  ny hetsika ara-barotra Origin Africa ary hifarana ny 05 novambra 2016. Eny amin’ny Forelo Tanjombato no ahaitana izany.