ONG HARVEST MADAGASCAR: Miantoka ny fampandrosoana maharitra ny fifanomezan-tanana.

Ao anatin’ny telo taona, hanampy ireo zaza sahirana ara-pivelomana eny amin’ny fokontany Soamanandray, kaominina Ambohidratrimo ny ONG “Harvest Madagascar”. Manana vina hanohana ara-tsakafo sy hiantoka  ny fianaran’izy ireo ny mpikambana 17 ao amin’ny  ONG. “Anisany fandaharan’asa ny fikambanana ny fampiroboroboana ny fahasalaman’ireo olona sahirana sy tsy manan-kialofana  eny Soamanandray. Mpahazo tombontsoa amin’izany ireo zaza amin’ny alalan’ny fanampiana ara-tsakafo mba hiaina ao anatin’ny  fanjarian-tsakafo”, hoy ny solontenan’ny Harvest Madagascar, Fanomezana RAOBELINA.

Miompana amin’ny sehatra dimy ny sehatra iantsorohan’ny fikambanana toy ny fanabeazana, fahasalamana, fambolena, kolontsaina ary tontolo iainana. Araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra ao amin’ny ONG, hitondra ny anjara birikiny amin’ny fampihenana ny fahantrana no tanjon’izy ireo. Ankoatra ny fanampiana avy amin’ny malala-tanana, amin’ny alalan’izay voatsirambin’ny tanan’ny  mpikambana sy fahaizany no hanatanterahana ny tetikasa.

Novoamboasina nandritra fotoam-pivavahana fisaorana an’Andriamanitra (Thanksgiving) noho ny fijoroan’ny fikambanana sy fampahafantarana azy tamin’ny zoma 22 desambra 2017, teny amin’ny Tranompokonolona Ambohidratrimo fa miaina amin’ny fifanomezan-tanana ny fampandrosoana maharitra. Tarigetran’ny  fikambanana rahateo ny fahazoana vokatra amin’ny alalan’ny fifanampiana.